HOAVY IZAHAY (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indro efa fantatray,ny hoavinao rampitso!
efa vinaninay,fa hisy ady sy tolona!
nefa...disoy izahay raha diso,
fa handrika ny rĂ  ,hisy fatin'olona

fa raha ny vavaka nasandratra,
mba entina hanovana ity firenena ity,
dia angamba efa sambatra?
angamba efa henika fitia,

saingy...zary nofy tsy tanteraka,
na rahoviana na rahoviana!
ny Ambatobevohoka efa teraka,
ka ny fahantrana hisolo fitahiana!

Vonana izahay malagasy,hiaritra sy hiady!
Mba ahafahana manova an'i Gasikara,
ny baingam-pahatrana ho voavadiky ny angady!
Mba entina hanovana iy tantara!

ENY HOAVY IZAHAY...


Hoavy hanafoana ny tsy rariny,
hoavy hanafoana ny kolikoly,
fa tonga dia sambory!
ireo malagasy tia ny tanindrazany,
dia hoavy izahay ry mpitondra...
hoavy hanohitra anao...
fa efa tena lao!

JODA RAZAKASOA -IVATO
12 aprily 2017
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
787 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137