INY DADAKO INY (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY DADAKO INY

Iny dadako iny...
raha vao mitranga ny maraina,
dia tinazana efa velon-taraina
eny amin'ny endriny eny,
izy tsy miteny...
fa tehiriziny ao am-pony
ny ady izay sedrainy,
noho ireto sombiniainy

iny dadako iny...
mikiry sy mitady
ho an'ireto zanaka sy vady
raha vao miposaka ny andro
mba hanananay nahandro,
na dia indray mihinana aza

iny dadako iny...
Ray o! tandrovy ny lalany
mba ahavitany ny zanany,
sy ahafahany miatrika olana,
izany no angatahiko aminao
ry Raiko ao an-danitrao

iny dadako iny...
Mazàna any an-tany lavitra any
mikaroka ny mahasoa...
fa izahay kosa mitomany,
satria malahelo ao am-po
dia iny dadako iny...
no mananatra anay zanany
satria zanaka tiany

JODA RAZAKASOA
25 APRILY 2017 (19:50) FIADANANA-AMBATOFOTSY-TSARAFARA
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
911 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152