ITY FEHEZAM-BONINKAZO ITY (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ITY FEHEZAM-BONINKAZO ITY

Ity fehezam-boninkazo ity dia atolotro ho anao,
ho mari-pamatarana fa tia anao ny foko,
saingy manjombona kosa ao anatiko ao,
mahatsiaro misento fa hay tena hadisoako
ny namboraka fitiavana,

ity fehezam-boninkazo ity dia atolotro ho anao,
ny hanitrany rehetra no aoka hamerovero!
mba any ora sy fotoana hamantaranao
fa tany hoany nisy nitia tamin'ny alahelo
sy naniry ny hiara-dia,

ity fehezam-boninkazo ity dia atolotro ho anao,
ho solom-pamatarana raha sendra aho ka lasa,
mpisakaiza foana isika n(a)'inona n(a)'inona natao
ary ireny lasan-tsika ireny,aza avela ho voafafa!
nohon'ny resaka fitiavana,

ity fehezam-boninkazo ity dia atolotro ho anao,
ho mariky ny finamanana efa nisy...
ho heninao mazàna eny amin'izao tontolo izao!
ny fofony mamerovero milaza indrisy!
oh! indro fandavana,

satria fantatro,
satria tankatro
fa tsy halazo mandrakizay
ity fehezam-boninkazo ity,
izay manambara endrika fitia,

JODA RAZAKASOA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1152 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112