IZAY TONONKIRA IZAY (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAY TONONKIRA IZAY

Injay ilay tononkiranao,
fa mampifoha indray ny rediko,
ka reko manakoako am-peo milanto
fa ianao no tena kanto,
dia izay tononkira izay,
no tiako ho redin'ny nofiko
sy hiran'ny fanahiko hatrany
mba hampitony ilay tomany...
nefa...izay tononkira izay,
no mampisokatra ny diarim-periko,
izay mbola kila any anatiko any,
io mantsy ilay tononkiram-pahatsiarovana,
vao maika mahatorovana ny foko,
fa na ny tsiky na ny sento...
Dia mbola voarakitra izay tononkira izay,
ndry...moa ve efa levona am-pony mandrakizay?
ity paradisako mbola semban-drahona
efa sambatra izy izay...
efa lavitry ny vahona,
fa ny tononkiranao...
no niarahana nikalo
ka indro aho...mahatsiaro!

JODA RAZAKASOA
--------
Rohy:
Sokajy : fitiavana
906 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143