NISARAKA HONO ISIKA (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NISARAKA HONO ISIKA

Niely be ny feo teny amin'ny rehetra teny,
fa ilay mpifankatia ohatran'ny tsy ho faty ireny
dia nisaraka sahady...
tapaka hono ny tady nampifamatotra
intsony tsisy ady varotra,
fa nisaraka hono isika...


hatrany am-piangonana,hatrany am-pianarana!
dia ilay mpifankatia mifampisalotra anarana
sy nifampitondra izay mangidy,
dia samy tsy nanan-tsafidy
fa nosaraham-pahavalo,
dia samy mimalo,
dia nisaraka hono isika...

...diso anefa izany,mifankatia isika!
ary ny voady izay efa vita
dia manamafy hatrany
fa na tsiky na tomany
dia tsy misaraka izany,

Etsy ho tantanako ny tananao!
ary habaribariko ho hitan'izao tontolo izao
fa mifankatia isika!

~JODA RAZAKASOA~
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
1401 0
Hevitra mandeha
SederaMioty ( 22/06/2017 18:44)
tsara lay tnkalo
ankafizilko (y)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015