You are here: home > Vetso

NY POETA! - Joda Razakasoa

Azo vakiana?

NY POETA!

Ny poeta!
dia ilay olona iray manana adidy,
amin'ny fiarahamonina sy ny fireneny,
anjara io ny azy,mantsy tsy safidy
ka mahatonga azy manandratra ny teny,

ny poeta!
dia ilay olona iray navahan'ilay mpahary,
mba hanana talenta amin'ny olombelona rehetra,
mivetso sy mikalo eo anivon-javaboahary,
ao anaty poezia izay tsy manam-petra

ny poeta!
dia ilay olona iray mirediredy ao anaty rima,
ary koa manakatra ny habaka tsy ho azo,
nefa ny poeta dia ilay mianoka anaty fijaliana,
na aza te hitovy amin'ny voninkazo,

ny poeta!
dia ilay olona iray mafanafana fo,
amin'ny ady sy ny tolona lalovan'ny fireneny,
tokana ny tarigetrany ary hiriany mba ho to,
dia ny hampita hafatra amin'ny alalan'ireo teny

Joda Razakasoa

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha