You are here: home > Vetso

RAHA TOA IANAO I - Joda Razakasoa

Azo vakiana?

RAHA TOA IANAO


Raha toa ianao hanadino,
handao ny amiko tokoa,
hiezaka aho mba hino,
fa vita ny amin-tsika roa

raha toa ianao handeha,
hisidina any alavitra any,
hiezaka aho ny tsy handre,
ilay foko mitomany

raha toa ianao tojo akanga,
ka hanary akoho taman-trano
izaho tsy hisavika saranga
fa dia tsara tso-drano

raha toa ianao manan'olon-tiana
izay any ambadimbadika any
dia aza izy am-pijaliana,
fa izao tsy manino amin'izany

JODA RAZAKASOA

Sokajy : FITIAVANA

Hametraka hevitra

Midira aloha