You are here: home > Vetso

TSY ADALA - Joda Razakasoa

Azo vakiana?

TSY ADALA

Tsy adala akory Andriamanitra,
raha nisafidy anao ho zanaka
tiany ianao mba ho fanilo sy hanitra,
eo imason'ireo  efa lanaka

tsy adala izy raha nanana safidy,
fa ianao no tena tiany!
Ka irony fijaliana izay mangidy,
dia mba fitsapana ihany iny

tsy adala ilay Ray ao an-danitra ao,
raha toa maniry ny hitondra fifaliana,
ny tanjony dia ny ananao fiainam-baovao,
mba ho solon'ireo sento sy fitomaniana

tsy adala ho'aho Andriamanitra!
Fa manana faniriana aminao,
ny tsatoky ny ankaso izay maranitra!
tsy manankery intsony manomboka izao


JODA RAZAKASOA

Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha