VONINKAZO TSY FANTATRA ANARANA (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VONINKAZO TSY FANTATRA ANARANA

Ry voninkazo tsy fantatra anarana!
asa fa manintona ny jeriko
ny hibanjina anao hatrany,
ry voninkazo mitondra fahasambarana!
rehefa ianao miserana eto ambaravarakeliko
dia...injao ny foko tomany,

mamerovero loatra ny hanitrao miserana
ka mampitsiry ny fitia
izao mitoetra anatiko ao,
fa nofinofy tsy azo ferana
ny hoe handeha hiara-dia
fa tiako loatra ianao,

tonom-bavaka mangina ataoko isan'andro
ny hoe:o! ry Tompo be fitia,
avelao izy iny no anjarako,
fa tiako aho raha hitango
ilay fitia mandrakizay doria
eo anilan'ilay malalako,

saingy voninkazo tsy fantatra anarana!
voninkazo mitondra hanitra,
voninkazo manintona fijery,
ry voninkazo tiako atao an-tanana!
ny fitondrana an'Andriamanitra
fa...aleo aloha hangina irery,

~JODA RAZAKASOA~ Tamin'ny 03 jolay 2017
--------
Rohy:
1215 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101