AIZA IANAO? (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AIZA IANAO?

Manjombon'endrika akia
iny faravodilanitra iny
nosangian'ilay fitia
mampahatsiahy ny fahiny
Manamaloka ny tava
efa lanahin'ny hatsiaka
malahelohelo lava
mahatsiaro ny amintsika
Any mantsy ianao izao
toa ahy singan-drery
mitoloko, mitalaho
mitaraina, miari-pery
Izaho aty manimanina
manembonembona ery
mila tsy hahatelin-kanina
isan'andro mihamahia
Toa tsy andriko ny andro
hihaonantsika roa indray
hibaliahan'ny masoandro
ho lohataona fehizay

RFE Andria - 15/07/2016
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Fitiavana
1420 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 15/07/2016 10:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107