ANISAO TOERANA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANISAO TOERANA

Mba anisao toerana ao an-tsisim-ponao akia
Ity fitiavako mangina izay toa maniasia
Na fantatro aza f’ilay taloha no tompon-toerana
Dia tsy azo noraràna ity fitia tsy mety ferana

Mba anisao toerana ao an’eritreritrao ao
Ilay nofy tena mamy iarahako aminao
Io no dindo izay navelan’ity fitia tsy voafetra
Na dia tsy hahenika aza ny alinao rehetra

Mba anisao toerana hampisambatra ahy
Ao amin’ny fiainanao, iraisantsika fanahy
Hiarahako aminao isan’andro vaky izao
Hiara-hianoka fitia tsy hay atao an-kila bao

Mba anisao toerana e ! mba anisao toerana
Ilay fitiavako anao tsy mila fanonerana…

RFE Andria – 16/04/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
912 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 16/04/2015 12:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015