AOKA HIVALONA - RFE Andria
Azo vakiana?
AOKA HIVALONA
Dia lasana any lahy ianao
Nandao ahy tsotra izao
Nefa toy ny eto hatrany
Ny momba anao milaza izany:
Ny feonao manako am-poko
Ny ato anatiko mihoko
Dia toa manambara foana
Fa ilay teo mandra-pihaona
Tsy misy miova ny tontolo
Fa ianao no te hanolo
Izaho mbola ilay taloha
Mirakitra fitia am-po
Nifankatia tokoa isika
Fa ankehitriny mangatsiaka
Nefa mbola mitohy ny fiainana
Ka tsy ilàna fitarainana…
Ny vovoka atera-kintana
No mamaritra ny vintana
Koa aoka hivalona amin’izay
Ny fitiavantsika fahizay
RFE Andria – 22/06/14
Sokajy :
Fisarahana, Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : ArofaninaDaty : 05/02/2015
Mpamangy : 679
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
NOFIKO, HONO...AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA