AZA KIVY , MAHEREZA - RFE Andria
Azo vakiana?
AZA KIVY, MAHEREZA !
Ho antsika rehetra izay mijaly
Marary, eny koa manaintaina
Aoka ho mirana sy ho faly
Hisaotra mbola velon’aina
Aza atao hoe: izao no anjara
Ka tsy maintsy hozakaina
Mety ho mbola hihatsara
Izay no irariana sy antenaina
Koa fadio izay hoe ho kivy
Aoka hahery fo sy saina!
Ny fisedrana mantsy angivy
Mafaitra fa mitondra aina
Koa mahereza isan’andro
Aoka ho foana ny taraina
Fa mbola io ilay masoando
Mivimbin-tsiky isa-maraina…
RFE Andra – 24/10/14
Sokajy :
Fampaherezana
Mombamomba
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : ArofaninaDaty : 05/02/2015
Mpamangy : 1469
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
NOFIKO, HONO...AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA