BANGA ANAO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BANGA ANAO

Ny antom-pisiako? Tsy fantatro intsony
rehefa dinihiko amin'ny saina tony
Banga anao ny fiainako ankehitriny
tsy misy hamamiana toy ny fahiny

Injany ny foko fa mamolivoly
ny ati-fanahiko toa ngolingoly
satria banga anao izy dia malahelo
mangorintsina anaty sy mamelovelo

Foana ny amiko, mifarana eo
izay no nohafarako ilay vorondreo
Banga anao ny fiainako lasa mangidy
Indrisy! ry anjara tsy nahay nisafidy

RFE Andria - 15/09/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - fiainana
1033 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 15/09/2016 12:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108