EO FOANA - RFE Andria
Azo vakiana?
EO FOANA
Raha mbola mamiratra ny masoandro eny an-danitra
dia fantatro hatrany fa eo foana Andriamanitra
ka na inona hidona, n'inona n'inona hihatra
izaho hatoky Azy hatrany amin-toky feno fatra
Mety ho maloka ny andro angamba semban-drahona
ka manao totoafo ny mangidy sy ny vahona
azoko antoka anefa ireny fa miserana, mandalo
ka tsy hataoko hahakivy na hoe koa hampimalo
Ny ho avy no banjiniko sy ny sandrim-pitiavany
ny nitantanany ny fiainako an-tsakany sy an-davany
ka eo Aminy irery no misy ny fanantenako
izay no ataoko ambentin-teny sy atao manakoako
Raha mbola mamiratra ny masoandro eny an-danitra
dia fantatro hatrany fa eo foana Andriamanitra
RFE Andria - 30/09/2016
Mombamomba
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofaninaDaty : 30/09/2016
Mpamangy : 974
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
NOFIKO, HONO...AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA