FANANTENANA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANANTENANA

Avia! Avia รด ry Fanantenana!
Meteza ho mponina anatin'ny foko
Hanototra indray ireo fahabangana
Sy hanalama ao ny marokoroko

Tohofy fitia ireo molotro maina
Tohatohano aho fa hila halemy
Izany fanahiko efa mangaina
O! sakambino fa mandalo memy

Ny vatako lanaky ny nandry fotsy
Ny saiko torovana niady irery
Fihimpihino amin'ny rotsirotsy
O! mba tantano sy tafio hery

RFE Andria - 03/08/2016
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana - fiainana
1167 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 03/08/2016 09:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0872