HODY AHO - RFE Andria
Azo vakiana?
HODY AHO
Tapak'hevitra ny saiko:
tapak'hevitra aho fa hody!
Hody aiza anefa? Tsy haiko,
ts'isy hodiana! Aza manody
Moa hody any amin-kavana?
Tena hevitra tsy mety;
ireny toa manavangavana
raha tsy hoe ianao mirenty
Ny any ambanivohitra any
tsy tranon-dray, tsy tranon-dreny
raha tsy hody vovoka sy tany
lasa indray mpirenireny
Tapak'hevitra aho sakaiza:
hody aho fa tsy tamàna!
Hody aho! fa hody aiza?
Toa hevi-ganagana...
RFE Andria - 13/10/2016
Sokajy :
fiainana
Mombamomba
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofaninaDaty : 13/10/2016
Mpamangy : 1022
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
NOFIKO, HONO...AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA