You are here: home > Vetso

JEHOVAH NO IANTEHERAKO - RFE Andria

Azo vakiana?

JEHOVAH NO IANTEHERAKO

Mafy, eny mafy, tena mafy ny manjo
raha sainina, dinihina, mila hahavaky fo
tsy misy ety n'iza n'iza afa-hiara-hivongika
'ty fahoriana mianjady efa tena mampihiaka

Ianao Jehovah no hany azoko ianteherana
hany manana fo antra sy fanahin'ny fitserana
Ianao irery ihany no tena azoko itarainana
hany mahalala ny vesatry ny fanaintainana

Ianao no amborahako ny tsiambaratelon'adiko
ny ngidin'ny kapoaky ny fiaina-mangadihadiko
Aminao no iantorahako, Ianao no ianteherako
anio sy ampitso ary rahatrizain'ny fahanterako

RFE Andria - 30/10/2016

Sokajy : Vavaka

Mombamomba

Mpanoratra : RFE Andria

Nampiditra : arofanina
Daty : 30/10/2016
Mpamangy : 922
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

NOFIKO, HONO...
AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA