LAVI-TIANA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAVI-TIANA

Any lavitra any ianao r’ilay vadiko malala
Fa izaho koa aty matoky sady tsy misalasala
Na dradraina ombieny fa ny lavitry ny maso
Tsy azo hihodivirana, izay mantsy ilay ankaso
Dia tsy maintsy ihany koa ho lavitry ny fo
Fa tsy mba toy izany ny fifankatiavantsika roa
Ka na lazaina aza fa ny afo lavi-tsy amindroana
Ny antsika ny halavirana mbola mahabe finoana
Fa tiako ianao! Ary azoko antoka ho tia ahy!
Tsy misy eo amintsika raha ny elanelam-panahy
Lavitra ianao raha noho ny elanelan-tany
Fa noho ny fitiavako dia eto anilako eto hatrany
‘zany moa malala ô !

RFE Andria – 21/10/14
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1131 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 05/02/2015 17:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152