MAHATSIARO HO IRERY (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHATSIARO HO IRERY

Raha hitomany aho fa manonja ny alon-drano
Tsy hataoko fantatrao, fa hohidiako ny efitrano
Aoka hanorika mangina hamonto izany tavako
Ny ranomasoko mitobaka tsy voafehin’ito vavako
Ny sentosentom-poko hokoboniko ho ahy irery
Rehefa injay aho mahatsiaro ho singan’olona toa very
Ireo hira maminao no hokaloiko moramora
Ary ao ny anaranao no hantsoiko isan’ora
Fa safidiko ny ahy ny hitia anao mangina
Ka na izaho aza anie valalanina, sondriana
Na hitomany irery aho, aza atao mampanahy
F’efa izay no nofinidiko: hitia am-po sy am-panahy
Raha iny fa mananika ato am-poko ny alahelo
Ka ny hanina anao no reko injao mamelovelo
Dia hitomany aho fa manonja ny alon-drano
Tsy hataoko fantatrao, fa hohidiako ny efitrano…

RFE Andria – 24/05/14
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
2070 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 07/02/2015 03:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162