MBA IRIAKO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBA IRIAKO

Mba iriako…
ny ho ilay rivotra fohanao mandavan’andro
ny ho mpanafana anao toy iry masoandro
manafosafo ny endrikao raha tonga ny maraina
mandrotsirotsy anao sy mamelombelon’aina

Mba iriako…
ny ho toy ny siotsiokam-borona milanto
manavatsava ny habaka amin-kira tena kanto
hampitako ilay hafatry ny foko am-pitiavana
handokoloko nofy ny fiainanao mba ho mavana

Mba iriako…
ny ho toy ny vonin-draozy soa sy manitra
mivimbin-tsiky sy hafaliana, haravoam-po finaritra
manaingo ny tontolonao, endriky ny hasambarana
topazanao fijery babo raha vao midi-baravarana

Mba iriako… Irariako… Fifaliako… Tena tiako…
raha izaho no ho ireo, tena tretrika ny diako
Saingy indrisy mbola nofo feran’ny elanelantany
ka ny vetsovetsom-po sisa no alefako mankany

RFE Andria – 04/07/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
834 1
Mpakafy: jenahhilary
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 04/07/2015 15:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153