NOFIKO HONO (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOFIKO HONO…

Nofiko, hono, io maraina io
Ianao namoha ahy tamin’ny oroka madio
Endrey ny hafaliako nianoka izany
Toy ny am-paradisa fa tsy nandia tany…

Nofiko, hono, indray atoandro izay
Fa izaho sy ianao niara-dia hatrizay
Endrey ny hasambarako, tsy nahitan-teny
Nifalihavanja taminao ombieny ombieny…

Nofiko, hono, fa indray alina tontolo
Izaho sy ianao nitety vony toy ny lolo
Endrey izany hamaminy niarahana nigoka
Sy ny hanitra nanento niarahana nifoka…

Saingy, indrisy!
Fa tsy nisy…
Hay ka nofy ihany
Na nofy tena mamy…
Fa nofy irariana
Ho tanteraka ry tiana…

RFE Andria – 08/08/14
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
562 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 09/02/2015 05:47
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158