NY ANTOM-PISIAKO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ANTOM-PISIAKO…

Mety aho fa misaotra nanasa ahy ho namana
Hizara fifaliana ho an’ireo te hanana
Sy andeha hifarimbona hizara ilay fitia
Ny antsika mantsy KANTO fa atao am-POEZIA

Ka izao tontolo izao, hataontsika ampoka
Fitia mitomandavana fa tsy hoe fitia tampoka
Atolotra manokana ho an’ny namana eto
Amin’ny vondron-tononkalo amin’ny aterineto

Izany tokoa mantsy no tena antony isiana
Hizara ilay fitia tsy lany hamamiana
Koa samia maharitra sy mitomban-dahy
Fa antom-pisiantsika, dia ny anao sy ny ahy

RFE Andria – 14/05/14
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
732 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 09/02/2015 06:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151