NY FANIRIAKO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FANIRIAKO

Sao anie ho rovitra ity fitafiako
F’efa aman-taona izao no nihafiako?
Sa mandra-pahoviana no mbola hijaliako?
Anefa tsy izany no mba faniriako…

Izato fitafiako toa vorokitsay
Nolazoin’ny fotoana hatramin’izay
Nolanahan’ny sedra maro mahamay
Naolan’ny olana koa indraindray

Ny nofoko mantsy no tian-kolazaina
Fa io no fitafian’ny olo-miaina
Sanatria akory tsy hoe mitaraina
Fa mbola hitafiako raha zakan’ny saina

Ny faniriako anefa na izany aza
Fitafiana mateza, soa sy mazava
Ankiniko aminao, Raiko, izay sahaza
Matoky Anao aho amin’ny finoan’ny zaza

RFE Andria – 27/10/2015
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1283 1
Mpakafy: Yanduniaina
Hevitra mandeha
0341063933 ( 27/10/2015 15:28)
mahafinaritra izany tonokalonao izany
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 27/10/2015 13:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016