NY TENY SY IZAHO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TENY SY IZAHO

Eny,
raha ny Teny
no ambara
sy arakitra ho tantara,
dia ekeko letsy
fa izaho tsy mbola fetsy
ka handeha hitetateta
hitonona ho poeta
Saingy,
tsy hoe mirengirengy,
fa mamelĂ  letsy ahy
noho ny aingam-panahy,
mba hamoaka eto ihany
ny rediredy sy vinany
Ny sarin-teny toa tsy haiko
- mivantambatana ny saiko -
ny gadona ary koa ny rima
tsy voahajako fa sima
Nefa,
izaho mba te handefalefa
izay mibahana ato am-poko
izay hita sy tsaroako
Ka aoka letsy aho
- tsy hoe hizahozaho -
hanoratsoratra eto kely
na dia hoe tsy ho maodely

RFE Andria - 03/06/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
817 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 03/06/2016 06:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155