OMEO HERY AHO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
OMEO HERY AHO

Ray o!

Omeo ahy ny herin-tsaina
mba tsy hampiferinaina
manoloana izato ady
efa atrehiko sahady

Omeo ahy ny herim-po
hampitraka indray ny loha
hanantena fandresena,
ilay natolotrao, nomena

Omeo koa herim-batana
hery afaka mitantana
ity tenako malemy
mandalo fitsapana, memy

Omeo ahy herim-panahy
handreseko ny ahiahy
izay tena mila hanafotra
sy mitady ny hamatotra

Omeo ahy indray ny hery
ilay avy Aminao irery
hanarina ahy rehefa reraka
sy hanasitrana ahy tanteraka

Amen!

RFE Andria - 26/07/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1494 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 26/07/2016 14:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0189