RESY AN'ADY (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RESY AN’ADY…

Hionona aho raha tsy tiana f’efa izay no anjarako
Lasa feno fahoriana sy ranomaso ny tantarako
Ny alahelo tsy haiko afenina efa mahamenatra olona
F’efa niady aho ka dia resy ilay fitia vao namololona

Ady mantsy hono ianao, eny ianao ra-Fitiavana,
Dia nalavonao ity foko teo an-tany hay sy ngazana
Fa nipitsika ianao ka namela ahy ho irery
Na ny lalana ivoahako toa nanjary teritery

Izay havoaky ny ampitso no tsy fantatro hoe ahoana
Fa ny androany aloha no tsapako ho fongana sy foana
Raha ny hevitra mba hitako dia ny tokony hikoloana
Ireto akoho taman-trano tavela sisa eto anoloana

Atataovy aho rey olona fa ny entako mavesatra
Mba tantano sy toroy fa aza avela hibolisatra
Mba ho azoko ny lesona nisarahan’olon-tiana
Ka hahay hitondra tena tsy hiboredika fa hangina

RFE Andria – 25/05/14
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
775 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 09/02/2015 06:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169