TIAKO IANAO MALALA AN ! (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO IANAO MALALA AN !

Fony isika vao nitafa sy nanomboka niresaka
No toy ny notselaram-baratra ny foko ka nitresaka
Tsaroako ho nidonaka ilay foko izay voadotra
Tratry ny afom-pitia ka nibaradaka, nitsotra:
TIAKO IANAO MALALA AN !

Izany doboky ny foko rehefa ilay mifamotoana
Izay vao mainka mihamafy rehefa io mifanoloana
Dia manjary velon-kira, tsy misaina ny ho voabanty
Sy milaza tsy an-kihamba fa efa tena tsy tanty:
TIAKO IANAO MALALA AN !

Endrey ny haravoana sy hasambaran’ny fanahiko
Rehefa isika mifanoroka elabe fa tanarahiko
Mihovitry ny hafaliana izany tenako rehetra
Ka ny foko no mibaboka tsy arahina fepetra:
TIAKO IANAO MALALA AN !

Rehefa isika mifamihina dia lalovan’herinaratra
Ny tenantsika mifangia, noho ilay fitia tomarataratra
Hery anaty izay manosika hanambara tsy amin-tahotra
Izay mibahana ao am-po, amim-peo toa vahobahotra:
TIAKO IANAO MALALA AN !

Ilay isika indray andro niaraka niriaria sy nitositosy
Hatrizao mbola manako ato anatiko toa feon-dakolosy
Ireo teny mamy nobitsihinao tamin’izany tato am-poko
Dia ireo teny kanto indrindra toy ny avana miloko:
TIAKO IANAO MALALA AN !

Toa tsy ampy ny voambolana izay azoko anambarana
Ny fitia mipololotra avy ato am-poko izay tsy tana
Hany azoko atao dia ny mivaky tsotra izao
Mamosaka ny ato am-poko hibaribary eo aminao:
TENA TIAKO IANAO MALALA AN !

RFE Andria – 12/06/14
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
9468 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 09/02/2015 08:18
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169