TSINGERIN-TAONA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSINGERIN-TAONAKO

Ny tsingerin-taona nahaterahako
Tsy raharahako
Na tsy misy mahatsiaro
Na tsy maro
Fa fotoana iray izay anolorako
Amim-peo goragorako
Ny fisaorana eram-po sy am-panahy
Ilay Ray nitahy
Eny, Tompo, mankasitraka indrindra
Ireo rindra
Nandaminana, nitondranao ny fiainako
Tsy voasainako
Ekeko, sady raisiko amim-pitsikiana
Ny fitahiana!

RFE Andria - 21/12/14
--------
Rohy:
3146 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 05/02/2015 15:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149