TSY TE... (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY TE...

Izaho tsy te hanaloka izato hafaliana
izay hita soritra an-daingon-tavanao
ka dia miezaka aho amin'ny fitsikiana
na rakotra alahelo aza ao anatiko ao

Izaho tsy te hisompatra izato hasambarana
ilomanosanao hitako isan'andro
ka dia aleoko ny ahy no hany hosomparana
sy hitakokoana fa maizina atoandro

Zarako aza ianao mifaly ka dia misambara!
Mitsikia hatrany toy iry volana baliaka!
Angamba ireny hitaratra eto am-parafara
k'hitondra nofy mamy ho ahy te hisariaka...

RFE Andria - 04/05/2016
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
835 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 04/05/2016 14:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1078