TSY TE HAHALALA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY TE HAHALALA …

Izaho akia malala efa vonona dia vonona
Ny hihaona aminao any Ambohitsitononina
Hatry ny fony aho nampiomana omaly
No efa tsindrian-daona ny foko falifaly
Fa raha ny hariva no tianao hahatongavako
Tsy maninona izany fa hotoviko rahavako
Izaho tsy te hahalala izay mpiray tanàna
Fa efa dodona aho izany, ny tenako mafana…
Tsy hatreo am-baravarana aho akory no hijanona
Izaho tsy te hahalala izay vahoaka vory lanona
Fa ho anao no hihaviako…
Ianao no faniriako…
Satria ianao no tiako!!!
Tsy andriko ny ampitso fa aleo mihitsy androany
Izao ankehitriny dia hiomana aho hankany
Ny retsiky ny vatanao mifameno amin’ny ahy
Dia ampy hianohantsika fa aza ataonao mampanahy
Tsy ho adala irery ianao, fa eo isika hiara-adala
Hasafotofotom-pitia; sa tsy izany akia malala?!!
Noho izany aho tsy hiverina fa handroso foana hatrany
Fa izaho tsy te hahalala mandra-pahatongako any

RFE Andria 28/07/14
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
764 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 09/02/2015 08:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147