VAKIRAOKA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAKIRAOKA

Soratsoratra toa vakiraoka
Ny renihevitra, ao no voafaoka
Ny firavany izay ny sarinteny
Dia tsikaritra ombieny ombieny

Rehefa tonga mantsy ny aingam-panahy
Ny poeta tsy tafandry lahy
Avy hatrany dia mandray penina
Manoratra tsy hay afenina

Eo mitosaka ny avy ao am-po
Ilay mpanoratra toa lasa ambiroa
Ka toy ny efa tsy ety an-tany
Fa ny sainy efa lasa any ho any

Ny asa miandry azy sisa
-Ny fanahiny no mamisavisa -
Dia ny lamina izay handrindra
Ho asa soratra kanto indrindra

RFE Andria – 03/06/14
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
589 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 11/02/2015 16:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157