Ny aliny ... (Santatry Ny Omaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miainga ny alina ...
Ny fanapanahin' ny volana eny an-danitra sisa no hany aina mamelona ny voahary ...

Ny tsidimidimin' ny kintana somary misafonoka manao andiany avy, no injao manosika azy mora mba hiaina

Fa ny alina ! Misy ny ali-mangina dia misy ny ali-mitaba !
Fa ny alina ! Misy ny ali-maizinina dia misy ny ali-mazava !

Dia miverina miainga indray ny alina !

Manaraka mora avy ao andoriany ny fitempon' ny rahona mangatsakatsaka,

Ny sidin' ny fony no maka fanahy, Ny habaky ny aina no singa mitety ny avo mandavo ny ahiahy !

Fa lasany ny aliko, ny aliny kosa anefa tsy foiny nomena fa ny alony hono no mendrika ho ahy

F' efa difin' ny alina mantsy izy izay, efa nosinaran' ny fasa-mikitroka tamin' ny tiany ilay tiana !
Dia zary natoraky ny antson' ny sento tsy ho eo anivony intsony ny eritreritra manga !

Dia ny alina sisa ! Ka ny alina sisa no mba fahatsiarova-mitoetra, hiandrasana hamafa ny ngidin' ny teboka lalina ... Ary antenaina hampitony ny fo torotoro, mandrak' izay hiavian' ny maraina ! ...
--------
Rohy:
1307 1
Mpakafy: Tojonyomaly
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141