Fitia hafakely (Skalove)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitia hafakely ny fitiavantsika roa
Toa sangisangy nefa avy ao am-po
Jerena goragora kanefa mafy fatotra
Ilay fo mifankatia ary tena mifamatotra...

Indraindray ny saiko mandinika lalina
Ny mijoro toa tsy haiko,mitsangana toa fanina
Raha vao mahitanao mitsiky aho ry aiko
Dia tsapako ho velombelona ny fanahiko...

Ireny izaho sy ianao miaraka mamindra
Eny an-dalana eny ny fitiavana mirindra
Manao ireo sangisangy izay mahazatra
Ka raha ianao no tsy eo ny foko no maratra

Ny alina,hono, natao hatorina
Nefa tsy matory isikaroa fa maminavina...
Mifamaly amina finday hoe"tiako ianao ry tiana"
Satria isika tsy mbola iray fandriana

Dia nandeha ny fotoana,nitohy ny fiarahana
Nisy ny nanaratsy,tao koa ny mpibahana
Kanefa vao maika mampifamatotra tanteraka
Ka indro ankehitriny atolotro ho anao ilay peratra.


06-Aogositra 2019 "Fitia hafakely"
SKALOVE
--------
Rohy:
796 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skalove
Nampiditra : ntmsskalove
Daty : 05/08/2019 12:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015