RY HAIZIN-KITROKA INY... (Tara-masoandro)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry haizin-kitroka iny, mpanaloka hazavana
Impiry moa ianao no resin'ny masoandro?
Ka ny andian-drahonao miparitaka aok'izany, sy mandositra tsy tana.
Ary indro dify ianao, dia loko fotsy indray no mandravaka ny andro.

Ry haizin-kitroka iny mpanaloka ny tany.
Toa tsy mba kivy ianao, fa tonga foana ihany?
Mandrakotra avy hatrany ilay taratry ny andro.
Ny andian-drahonao mitambatra ho iray, mba handemena indray ny herin'ny masoandro.

Ry haizin-kitroka iny, mpandravaka ny alina.
Hodianao tsy hita va, fa ny tsikin'ny masoandro dia ampy handrava anao?
Ary hampody ny maraina mamiratra sy lalina,
Izay hahajamba anao, handravarava anao.

Koa nahoana no misisika, mibahan-toeran-dava, ry Ingahy Rahaizin-kitroka?
Tsy tsinjonao moa va ilay taratra hazavana, izay tsy mba mety lefy fa mamiratra hatrany.
Ary izy no banjiniko, ny tavany sariaka no mandroaka, mampandositra ny rahomaintin-giroka.
Ka ho sasatra eo ianao, fa ny herin'ny masoandro dia tsy ho lany ritra,
Fa handravaka tontolo mba ho lasa paradisa.


Tara-masoandro
04/05/2019
--------
Rohy:
1489 2
Hevitra mandeha
hery ( 19/05/2019 21:10)
Tsy maintsy mandresy ny mazava
Tara-masoandro ( 20/05/2019 18:22)
Eny, tena izany mihitsy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143