TOA ZARY NOFY IHANY (Tara-masoandro)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIMOTY JOSTO:
'Zaho hanao mpitsabo
Médecine hafa kely
Hikaroka sy hitady
Hivezivezy toy ny tantely
Tsy avelako raha tsy hitako
Ny fanefitry ny fahafatesana
Fa ny fasana efa feno
Toa misy fitsetsefana

TARA-MASOANDRO:
Indrisy anefa fa...
Toa zary nofy ihany
Ny fiainana eto an-tany,
Miserana, mandalo,
Tsy afahanao mikalo
maharitra ny vetsovetsonao,
Hoe: " 'zaho hanao mpitsabo"
No hiraina sy ventesina
Afahana manaisotra izany "fahafatesana",
Izay tsy ho fongotra na oviana
Na ho tiana na tsy ho tiana. 
Mahery vaika mantsy ny heriny misintona
Ny tenantsika, mandositra mirintona,
Mba hanalavitra azy, kanefa zava-poana,
Fa izy dia hamoky, ny kibony izay noana.

Ny Rangolahy tsy handefitra
Tsy ho hita ny fanefitra
Fa hitelina ahy sy ianao hatrany
Izay no tanjony eto an-tany. 
Ka ny marina sy soa no 'ndeha katsahintsika
Izay hampandroso hatrany, ny fanahintsika.
Aleo ny fo sy saina, no 'ndeha koloina tsara
Mba ho rehareha fatratra amin'ny zanaka amam-para.
Ka ho velona ao am-pony, tsy ho foana ny hatsarana,
Na dia levona aza isika, efa vovoka, lasana.

26/09/2019
Timoty Josto sy Tara-masoandro
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - fiainana
874 3
Hevitra mandeha
Jj.be ( 26/09/2019 18:12)
tena mafnartra be mahitan'lay izy mifampitohy! misaotranao
Tara-masoandro ( 26/09/2019 18:13)
Tsy misy fisaorana fa mahafinaritra be ilay fifampizarana e. Misaotra amin'ny fiaraha-miasa
Jj.be ( 26/09/2019 18:16)
ref malalaka enao de mba andefaso tantara mba alefa @onja-peo aty @nay
Tara-masoandro ( 26/09/2019 18:18)
Tena eo am-panoratana mihitsy aho izao. Tsy maintsy mbola ho avy izany, aza manahy :)
Jj.be ( 26/09/2019 18:22)
eny ary. miandry ny aty e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138