Rariny (tody) (Ted Raz)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rary (-ny) tody

Fanala no nitsena ny fotsika niray tamin'ny alim-pahavaratra
Nihoatra ny ankaratra ny avon'ny ilay tendro nihanihatsika
Endrikao mitsiky no nasehon'ny fitaratra
Tsy fantatro izay sazy
Kanefa masoko tomany no mibanjina azy

Voazaran-tsato-by tsy azoko hihoarana ny fefy nanoloana
Dia sento fahazarana no setrin'ny ilay sary natsikafon'ny fotoana
Hay isika tato foana,
Hay ianao tsy lasa akory ilay nilaza ny handao tsy hipody intsony intsony
Fa niery tao ambadik'ilay tody izay natsoina

Kilemaina mihazona'elo tsy misy hitehenana manivatsiva ny alina
Zaza mitomany nilaozan'ny mpitantana tsy mahalala ny marina
Toa fiainana namboarina
Toa hosodoko tsara nosimbain'ny orana teo ampamaranana
Indreto isika anefa minia miray laharana, nefa oe nisampana ny lalana?

Tsy sarotra zohina ny lalanao nialoha nidify tany ho any
Ho vitako ora roa na ora iray akory aza raha ho ataoko izany
Kanefa tsy ho androany...
Aleo aloha hitsiry ny voa nafafinao nasolonao ilay voniko
Aleo ianao hatsapa ny fahabangan'ny hery tanaty nositomiko
Aleo ianao ho voadona e!
... Dia ho hainao ny mifona
--------
Rohy:
264 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ted Raz
Nampiditra : herizoimc
Daty : 14/04/2023 09:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146