fampiononana (Tojo Rta Avotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny,ny andro aty,
dia,mandalo iany.
Tsy haharitra ho doria
fa aloka ny eto an-tany.
Misy eto ny alahelo,
Misy hafaliana tsy hay tohaina,
misy ireo tsiambaratelo,
'Zay tsy tinao ho zaraina.
Nefa izao no mba hafatra,
ho ampitako amin'ny hendry,
mitandrema tsy ho solafaka,
Tsy vitsy an'isa ny
mpikendry.
Jereo tsara zay asiana
tongotra,
fa maro be ireo tsilo,
be dia be no te hamongotra,
te handrava ilay fanilo.
raha fitia no tsy tanteraka,
aza kivy na koa reraka.
Ny hamoy fadio,
Ny fanarenana itodio. Atrakao ny loha aza tomany,
Mionona zany havako izany.
Nahoana ny hafa no mazaka,
dia hianao no tsy hitraka(?)
Mahaiza mionona,
jereo koa ny mpiaramonina. Fa raha hianao nge no
mianjera,
maro be ireo mpitsikera e.
Indrindra ireo mpialona,
te handatsaka amin'ny lalina.
Koa noho izany,
miarena aza sasatra.
Fa raha mbola eto iany
Mandia tany ka solafaka.
Itokio ny fanatenana,
ny fahalalana koa karohy,
ka raha sendra fandrika malama,
dia ahoreno hijoroy.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
1637 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tojo Rta Avotra
Nampiditra : TojoAvotra
Daty : 06/09/2013 12:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158