Inona no ho atao? (Tojo Rta Avotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izay hataoko ity tsy haiko
Valaka ny saiko
miahotra ny tongotro
mangovitra ny molotro

Ny tanako miarazorazo
toy ny ravina malazo
ny foko sanganehena
tsy mahita ho tetehena.

Handroso sa hiemotra(?)
toa mampifararemotra
sa hijerijery foana(?)
nefa,ilaozan'ny fotoana.

Hanadino sa hitia (?)
Hanaiky eny sa ho tsia (?)
Nefa raha hiatsara ivelatsihy
Aleoko iany tsy mitia...

Sa inona ary no hatao,
Hanova vaovao(?)
hanadino ny efa lasa
sy hanova drafitr'asa (?).

Ny ratrako,sarotra hadinoina
Ny fitiavako,nijaly nokapohina.
Ny fony,toa tsy ho ahy tanteraka,
Ny fisainany,toa tena vory helatra...

Indray anefa ny foko
Reko mibitsika
te hanadino ireo toloko
Mbola te hisisika...
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
961 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tojo Rta Avotra
Nampiditra : TojoAvotra
Daty : 16/10/2013 16:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0174