Izay nomeko (Tojo Rta Avotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lala รด!
Raha ho avy izany andro
Hifandaozan-tsika
Ho dify ilay masoandro
Ho lasa tsiaro ny efa vita

Dia ny rehetra izay nomeko
Na ny "eny" izay nekeko
Ireo fitiavana natolotro
Dia,tao am-po,fa tsy imolotro...

Eny,tsotra izy ireny
Tsy mba harena sarobidy
Fa soratsoratra sy teny
Mba ho rakitra tadidy...

Raha tsy ho eo intsony aho
Dia izay natolotro hatrizay
Izay natokako ho anao
Dia tano ho anao mandrakizay...

Ho anao foana foana
Na afaka aman-jato taona
Tsy ho alaiko na takiako
Na ho mafy izany diako

Tsy nilako sitraka izy ireny
Ary tsy mba nitady dokanao
Raha hatambatra amin'ny teny
Dia,noho ilay fitia anatiko ao

Nosoratako izy anio
ka tsaroy sy tadidio
Rehefa mifarana ny anjarako
Ka tapitra eo ny tantarako...
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
914 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tojo Rta Avotra
Nampiditra : TojoAvotra
Daty : 16/10/2013 15:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096