Manin'olon-tsy manina (Tojo Rta Avotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indrisy ho'aho ry vintana
mba miangatra hianao
fa...mijery mitongilana
ka tsy mihaino akory, ny sento sy talaho...

Eny, any'zay'lay tiko
Misonenika tanteraka, eny an-tsandrin'olo n-kafa
ka tsy mahalala akory'zato fahoriako
Fa ampom-pahasamba rana, toa ravoravo foana, sy mitsiky lalan-dava...

Fa izaho kosa...
Toa reraka sy osa
Raha vao mitopy kely, amin'ny zavatr'efa vita
Dia...ory izany foko, ny masoko mipitra...

Manin'olon-tsy manina
ka zary fanim-panina
Manjombona fa very
Fa nilaozany nihery...

Lavo-lavo-doina
Saingy.,tsy mba nisy nanoina
Nangina ny tontoloko
Dia...maina koa ny molotro
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1436 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tojo Rta Avotra
Nampiditra : Tojoavotra
Daty : 20/12/2013 14:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149