Te hanoratra aho (Tojo Rta Avotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Te hanoratra aho
Hampitako ny hafatro
Te hanoratra
Izay mba kely fantatro

Te hanoratra aho
Mba entiko hanembonana
Ireo fianakaviako
s'ireo ankohonana

Te hanoratra aho
Hitantarako ny hafaliako
Te hanoratra aho
Ho an'ny androm-pitsikiako

Te hanoratra aho
Hidradrako ny tomany
Te hanoratra aho
Andefako ny vinany

Te hanoratra aho
ho an'ny toreo
Te hanoratra aho
Hiraketako azy ireo

Te hanoratra aho
ho fahatsiarovana ny lasa
Te hanoratra aho
Ho an'ny ho avy izay kinasa.

Te hanoratra aho
Hikikako ireo tsy zakako
Zay te hitroatra mafy,saingy, tsy ampy ny herim-batako

Te hanoratra aho
Hiangaliako izany teniko,
Eny,te hanoratra aho,
Raha mbola amiko ny peniko...
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
943 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tojo Rta Avotra
Nampiditra : TojoAvotra
Daty : 16/10/2013 15:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146