tonga ilay... (Tojo Rta Avotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tonga iany ilay masoandro
nantenaiko hatry ny ela
miramirana ny andro
fa ny haizina namela.
(nifarana ny alina)

Fenomanana ny volana
rava koa ny olana
manga ny habakabaka
feno kintana mandravaka
(nanjavona ny rahona)

Satria,tonga ilay tiana
rehefa ela niafina
tany ambadiky ny ony
ny tebitebiko nitony
(foana ny tomany)

eny, tonga ianao
tonga hanavao
ilay fitia tao am-po
efa saika boboka sy lo
(mbola tsy tara...)

'Zaho koa mbola vonona
toa tsy haiko ho tononina
izany haravoako
satria rava ny toloko.
(manaiky amim-pitiavana...)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
879 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tojo Rta Avotra
Nampiditra : TojoAvotra
Daty : 07/10/2013 08:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141