You are here: home > Vetso

Aterina eto (Internet) - Totyjim

Azo vakiana?

Mitory fitia amin'ny olona tsy hita
Mamorom-porona kely eo dia vita
Mifamitapitaka mandefa sary
Miseho tena mendrika sy lavorary
   Ny alakaosy milaza ho alakarabo
   Dia maro ny roboka be koa ny babo
   Iny dia mirana,misioka, mihira
   Valala eny an-danitra no asiany sira
Tsy ela dia diso ilay fanantenana
Voakitika hatramin'ny fahasalamana
Eo vao nankaiza tanteliko teto
Hay fitiavana anatin'ny "aterina eto"
                            
                                   Totyjim

Hametraka hevitra

Midira aloha