You are here: home > Vetso

INY TONOKALONY INY - Totyjim

Azo vakiana?

                                          INY TONOKALONY INY
(Nalaina avy tamin'ny asa soratr'i KIRIAH " INY TONOKALOKO INY")

Tanaty tonokalony iny
Tao izy tena heno
Tao ny fiainany no FENO
Tanaty tonokalony iny

    Tanaty tonokalony iny
    No natosany ny tsiahy
    Nasidiny avo ny fanahy
    Tanaty tonokalony iny

Dia nigorisa ery ny penina
Ny ainga koa moa be marenina
Ka hatram' fialan-tsiny
Voarakitr'iny tonokalony iny

  Mety sombiny no hita
  Ampaham-bentso no voampita
  Fa ny ho avy, anio, ny omaliny
  HIAINO anaty tonokalony

Efa maro ny asa sorany
Fo madio no nanolorany
Tontolom-piainana mandalo
Voarindrany ho tonokalo

     Fa tari-dalana ihany,iny tonokalony iny.....
    
(Miala tsiny aminao aho raha naka tsy  niera)


                                    Totyjim

Hevitra mandeha

kiriah (07/03/2012 20:05:20)

Tsisy tokony hialàna tsiny fa fisaorana aza no atolotro , hitanao zany fa ao zah no mba heno ? ' lol !!! . Maharakotra tsara ilay voalaza tao anaty TONONKALOKO INY.

Hametraka hevitra

Midira aloha