You are here: home > Vetso

SENTO HAFAHAFA - Totyjim

Azo vakiana?

                                         SENTO HAFAHAFA

Alefa dia lasa dia aiza no hianjera?
Ilay sento mandona manindrona mafy
Manaitra ahy matory fa tonga tsy miera
Tsy mifidy hiantefana toa ora-mifafy

  Nivadika havia,niolika havanana
  Akipy ny maso fa ny eo ihany no eo
  Mivokom-pandry,milafika tanana
  Ny an-taonany lasa toa vao anikeheo

Misy ny tsara fa be koa ny ratsy
Mitangorona loatra ny fahatsiarovana
Toa sahan'ny edena fa feno ahi-dratsy
Misento ny fo fa ny saina torovana

   Ohatry ny mora rehefa ampitaina
    Iainana nefa manindrona lalina
    Fo saina fanahy toa tsisy afa-maina
    Rehefa tonga ilay sento mpamoha sasak'alina
  
  

  Totyjim

Hevitra mandeha

kiriah (06/03/2012 13:16:42)

Totyjim zay !!!!! raha tsy IZY tsy mahavoaka tononkalo hoatr' izao . MISAOTRA e!

totyjim (06/03/2012 14:30:01)

Mankasitraka e!enao no tena isaorana Ranabavy Kiria,tsy vitan'ny mahay miasa soratra fa mbola manokam-potoana hamakiana ny asa soratry ny hafa.Samy ho ela velona isika rehetra e!!

Hametraka hevitra

Midira aloha