You are here: home > Vetso

TIAKO IANAO - Totyjim

Azo vakiana?

Tiako ianao ry olona iny
Toa voary tsisy tsiny
Fa niangaran-janahary
Tsara tefy lavorary
   Ny fijerinao mambabo
   Ny fitsikinao mandavo
   Ny famindranao milanto
   Fitafy tsotra nefa kanto
Izay lalovanao variana
Toa maka tsirony mangina
Mangalatra manara-maso
Te hiantso mafy hoe andraso
   Ny manodidina ahy tontolo
   Toa maka ny endrikao daholo
   Eny hatrany anatiko any
   Mihoatra lavitra an'izany
Tiako  tena tiako ianao
Tiako loatra tsotra izao


                                Totyjim
  

Hevitra mandeha

katiaa (17/09/2010 07:38:48)

misaotra nanoratra fa tsara ilay tononkalo :-)

kiriah (17/09/2010 21:35:19)

sambatra loatra lahy zany olona izany!!!, Misaotra e!

Hametraka hevitra

Midira aloha