You are here: home > Vetso

FITIAVANA - Totyjim

Azo vakiana?

Ity fitiavana ity re dia tena hafa mintsy
Toa trangan-javatra lalina loatra
Mifaingoka anio dia rahampitso mahitsy
Tsy hita hoe mihemotra ve sa mivoatra
     Ny fo no  ataony mahita matetika
     Ratraratrainy ,ampifalifaliany
     Avelany hiaina, tsindriny hilentika
     Omeny hasambarana,ampijaliany
Indraindray izay jerena toa meva daholo
Toa maha-te hitsiky izay rehetra hita
Mientana ery ny any anaty tontolo
Ny hifandao iray minitra aza mila tsy ho vita
   Tampoka anefa tsy ampoizina akory
   Manjavona tsy hita ireo rehetra ireo
   Tsy mahatelin-kanina, ilaozan-tory
    Toa nofy niserana ilay aninkeheo
Dia ireo hatrany no toa mifandimby
Tsiky, hasambarana, jaly, hakiviana
Dia hiaina an'izay koa ireo fara aman-dimby
Satria ny fitiavana tsy azo idifiana.


  

Hevitra mandeha

fahamarinana (28/03/2010 12:02:56)

Ka ny fitambaran'ireo rehetra ireo ilay manome loko ilay Fitivana !Raha tena ilay "izy" dia tsy mety antonontoniny mihintsy !:-)

ntk (14/03/2012 05:10:58)

Tsy ratsy

Hametraka hevitra

Midira aloha