You are here: home > Vetso

NY LASA - Totyjim

Azo vakiana?


                              NY LASA

Ny omaly sy ny lasa,adinoy hivalona any
Izay lesona voasintona,hibanjinana ny androany
Ny androany rahampitso dia hanjary ho lasa ihany
Ary ny ampitsonao omaly hiverina ho androany

Somary miolakolaka ireo kilalaon-teny
Fa raha alalinina dia tsotra no omeny
Ny androany ataovy mety, dia ny ampitsonao hanjary
Ampitso hiofo ho lasa,fa lasa lavorary.


                                    Totyjim

Sokajy : Kolontsaina

Hametraka hevitra

Midira aloha