You are here: home > Vetso

TSY IZY REHETRA - Totyjim

Azo vakiana?

                                   TSY IZY REHETRA

Mamiratra ery ireto kitan-mirenty mandravaka ny avo
Misy am'reo ve ny hoe kintan-doza mpanindry ny lavo
Kinta-mainty aty mpikiky ny ferin'ny manetsetra
Na misy aza izany dia azoko inoana fa tsy izy rehetra

     Toa kanto loatra tokoa ny natiora nataon'i Tsitoha
     Haingam-pamelana,lovam-boninkazo hivadika ho voa
     Misy am'reo ve ny maningotra aina mpametraka fetra
     Misy dia misy tokoa saingy soa fa tsy izy rehetra

Mambabo ao anaty ireo angolan-teny voalaro'ny toky
Fanamasinana avy eo rehefa samy nametra-tsonia tam' boky
Misy amin'ireny tokoa ny soloky sy an-tendro-molotra ihany
Nefa tsy IZY REHETRA fa ilay tena tia tsy mahavita an'izany


                 Totyjim

Hametraka hevitra

Midira aloha